Ady tany an-danitra

Nandroaka ny anjely mpikomy i Mikaela. Sary nataon' i Gustave Doré ho an' ny Paradisa Very an' i John Milton.

Ny ady any an-danitra dia tantaraina ao amin' ny Testamenta Vaovao ao amin' ny Baiboly kristiana, ny Bokin' ny Apôkalipsy. Izany ady any an-danitra izany dia nifanaovan' ny anjely maro tarihin' i Mikaela arkanjely sy ny anjely maro hafa tarihin' ny "dragona" fantatra amin' ny anarana hoe Devoly na Satana, izay ho resy sy hazera ety an-tany avy any an-danitra. Ny ady tantarain' ny Apôkalipsy dia mifandray amin' ny hevitra momba ny anjely lavo, ary ny mety ho fitoviana dia aroso ao amin' ny Baiboly hebreo sy ny Horonam-bokin' ny Ranomasina Maty.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search